♦ Nanitsy ny resaka ahely momba ireo baobab ao amin'ny faritra arovana Ranobe PK faha-32 ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovanin-jafy. Tsy voakitika amin'ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base-Toliara izany hoy ny Ministra... ♦ Nahangona 30.000.000 Ariary tamin'ny ezaka taon-jaobily 2025 ny vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro Opeka. Hozaraina amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Taolagnaro izany vola voahangona izany... ♦Nolaniana teny amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mifehy ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy ...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...