♦ Hamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Hahetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Amboarina ny lalana Betsioky ao amin'ny Faritra Anôsy. Fiaraha-miombon'antoky ny Fanjakàna Malagasy sy ny orin'asa QMM no afahana manatanteraka izany. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny governora... ♦ Tsy nahavita nianika ny faratampon'ilay tendrombohitra EVEREST any Nepal, avo indrindra eran-tany, ireo fianakaviana Malagasy nandray anjara tamin'izany... ♦ Mihamafy ny fanafihana ataon'ny rosianina any Ukraine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...