♦ Nankalaza ny faha-10 taona ny ansiklika Laudato Si, isika Malagasy. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo no nanehoana izany sady nanokafana ihany koa ny herinandron'ny Laudato Si... ♦ Nitokana zava-bita tao Nosy-Be ny filohan'ny Repoblika nandritra ny dia nataony tany. Nanolotra fanampiana ho an'ny vahoaka tao an-toerana ihany koa... ♦ Mitohy ny tolona hitakiana ny fandehanan'ny fiainan'ny firenena amin'ny tokony ho izy hoy ny Filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Tsy tokony hametraka sakana amin'izany ny Prefet an'Antananarivo hoy Pr Ralison Roger...

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...