♦ Nanambara ny filohan'ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy nitory ny filoha lefitra voalohan'ny CENI Andoniaina Andriamalazaray. ; azo amarinina izany hoy izy... ♦ Nitondra valin-kafatra momba ny fitakian'ny olom-boafidy sasany hanalàna amin'ny maha ministra mpiahy ao amin'ny Faritra Boeny azy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Maroson Moustapha Abdulah. Nanotrona azy koa ny solombavambahoaka Rahantaniriana Lalao... ♦ Hotohizana ny famatsiana solika tahiry ho an'ny orinasa JIRAMA, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ho fiantohana ny famatsiana herinaratra an'Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...