♦ Mbola tsy fantatra 6 volana aty aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsaràna ny daty hamerenana ny fifitianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ireo kaominina 12 isa. Manaitra ny CENI amin'izany ny Kmf/Cnoe... ♦ Mitokona indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Nidina an-dalambe indray izy ireo, nanomboka ny maraina teo noho ny olan'ny famatsiana jiro sy rano eny amin'ny tranon'ny mpianatra... ♦ Manahy sahady ny PMH fa hidàngana be ny vidim-bary, atsy ho atsy. Ratsy ny voka-bary any Ambatondrazaka, sompitr'i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny tatitr'io fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa io...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...