♦ Mbola tsy fantatra 6 volana aty aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsaràna ny daty hamerenana ny fifitianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ireo kaominina 12 isa. Manaitra ny CENI amin'izany ny Kmf/Cnoe... ♦ Mitokona indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Nidina an-dalambe indray izy ireo, nanomboka ny maraina teo noho ny olan'ny famatsiana jiro sy rano eny amin'ny tranon'ny mpianatra... ♦ Manahy sahady ny PMH fa hidàngana be ny vidim-bary, atsy ho atsy. Ratsy ny voka-bary any Ambatondrazaka, sompitr'i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny tatitr'io fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...