♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...