♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon faha-14 ireo Evekan'i Madagasikara mandritra ny Fivahinianana Masina any Vatican... ♦ Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga ny sabotsy teo. Olona 13 hafa marary mafy, raha ny tarehimarika ôfisialy navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, omaly hariva... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ireo zandry zanaka amin'ny taona fahadimy anio talata. Mpiadina maherin'ny 570.000 no hiatrika izany manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Vao mainka miha-mafy ny ady eo amin'i Israel sy i Iran. Rava omaly ny tranobe misy ny foiben'ny fahitalavi-panjakàna iraniana IRIB ao Téhéran...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...