♦ Tafakatra 14 ireo narary namoy ny ainy eny amin'ny HJRA, vokatr'ilay tranga fahapoizinana ara-tsakafo faobe ny sabotsy teo. Nitombo isa koa ireo nampidirina hôpitaly eny an-toerana... ♦ Taranja telo no vitan'ireo mpiadina tamin'ny tapany voalohany amin'ny fanadinam-panjakàna CEPE manerana ny nosy ny maraina teo... ♦ Nahatratra 100 miliara Ariary ny teti-bidin'ny fananana nogiazan'ny Bianco tao anatin'ny efa-bolana voalohan'ity taona ity. Hitondra fanazavàna eto ny Tale Jeneralin'ny Birao mahaleontena iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nitohy alina ny fifampitifirana balafomanga eo amin'i Iran sy i Israel, izay efa ho adimy izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...