♦ Mikatsaka hatrany ny fanampiana ny tanora amin'ny fanohanana azy ireo ahita fanofanana arak'asa sahaza azy ny Don Bosco Madagasikara. Fahombiazana ny fihaonambe fifampizaran-kevitra natao tao Toliara sy Fianarantsoa tamin'ity volana jona ity...  ♦ Tsy aharitra ela ny ady eo amin'i Iran sy Israel hoy ny Profesora Ralison Roger. Misy akony amin'ny tany madinika toa an'i Madagasikara nefa ity ady ity... ♦ Hahazo fankatoavana iraisam-pirenena atsy ho atsy ny kianjan'i Barea etsy Mahamasina hoy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Efa mikarakara ny fomba hanatsaràna ny bozaka ilalaovana ny tompon'andraikitra hoy Andriamatoa Abdulah Moustapha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...