♦ Hilatsaka ho mpanelanelana eo amin'ny raharaham-pirenena ny vondrona Panorama. Misy vondrona pôlitika hafa sy Firaisamonim-pirenena miara-dia amin'izy ireo amin'izany ka tanjona ny hampifanantonana ireo mpanao pôlitika mitovy fomba fijery... ♦ Ho ambohipihaonan'ireo mpisehatra loharanon-karena anaty ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny hetsika FOARA AMBALASIRA, izay hatao ny 20 hatramin'ny 24 aogositra ho avy izao... ♦ Efa manomboka nivoaka omaly ny voka-panadinana CEPE... ♦ Nilaza ho efa nanafika an'i Iran indray ny tafika Israelianina androany sabotsy...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...