♦ Notontosaina teny amin'ny EKAR Katedraly Andohalo omaly tolak'andro ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, notarihan'ny FFKM ho fitrotroana am-bavaka ny firenena, noho ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena... ♦ Mihemotra ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny vahoakan'Anosiala atao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny sabotsy teo teny amin'ny Kianja Barcelone ny Ben'ny Tanàna voafidy teny amin'ity kaominina ity... ♦ Mihamafy ny ady eo amin'i Israely sy Iran, taorian'ny daroka baomba nataon'i Etazonia...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...