• Mbola tsy nisy fehin-kevitra ofisialy tapaka tamin'ny dinika faharoa momba ireo “Îles éparses”, tany Paris omaly. Nisy teboka vitsivitsy kosa nifaneken'i Frantsa sy i Madagasikara... • Mbola mandinika ny fampiharana ilay hetra 20 % amin'ny zana-bola alaina amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Governemanta hatramin'izao... • Nesorina tampoka tamin'ny toerany ny Ben'ny Tanana ao Bekopaka, Distrikan'Antsalova, Faritra Melaky, efa-bolana taty aoriana. Niakatra eto Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona, tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...