• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...