• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...