• Mitsidika Distrika maro ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Repoblika nanomboka omaly. Tsy manadino ireo Distrika tsy nisy mpijery nandritra ny taona maro ny fanjakana, hoy izy, isan'izany i Vohibato... • Tokony mametra-pialana ireo tompon'andraikitra tsy mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka miteraka fahoriam-bahoaka amin'izao fotoana izao. Teny nataon'ny Depiote Gasikara Fenosoa tany Betafo... • Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drà ny Malagasy. Nivoitra tamin'ny fanadihadiana natao manerana ny nosy momba ny tsy fahampian'ny singa mpamelona natao tamin'ny herintaona na ny ENCM 2024 izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...