• Andro faharoa ny anio amin'ny fanadinana Bakalorea Katolika. Mpiadina maherin'ny 64.000 avy amin'ny Sekoly Katolika no miatrika izany manerana ny nosy... • Vao mainka mitotongana ny vidin'ny lavanila any amin'ny Faritra Sava ankehitriny. Nidina hatrany amin'ny 5.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any amin'iny Faritra iny... • Tolotra asa arivo isa no homena ireo mpitady asa mandritra ilay hairanty momba ny Call Center eny Andavamamba. Mbola tsy ampy satria mpiasa 60.000 no tadiavin'ireo orinasa mandraharaha eo amin'ity sehatra ity eto amintsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...