♦ Manome fe-potoana 24 ora hitadiavana vahaolana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny JIRAMA. Feno hipok'ireo mpiasa ny foiben'ny JIRAMA eny Soanierana, izay toerana anaovan'izy ireo fitokonambe... ♦ Namoaka "ordre réquisition" ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo ny maraina teo, manoloana ity fitokonamben'ny mpiasan'ny JIRAMA ity... ♦ Mitaky ny marina momba ny antony nahatonga ireo fahapoizinana ara-tsakafo niseho tato ho ato ny Kmf/Cnoe. Namoaka fanambaràna momba ireo olana ara-tsôsialy samihafa misy ity mpikambann'ny Firaisamonim-pirenena ity... ♦ Notafihan'i Rosia tamin'ny alalan'ny Drones +700 isa i Ukraine omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...