♦ Manavao ny lasi-panofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao ny vokatra azo... ♦ Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro hanomboka anio ny Faritra Atsimo-andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... ♦ Tratehaky ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany tety Ivato ny tambazotra mpanao trafikan-jaza alefa any ivelany. Nokasaina haondrana any Gabon ny zazavavy kely vao 8 volana...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...