• Aza ariana ny mpanao gazety fa vavahady fakam-baovao itokisan'ny vahoaka, hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony, manoloana ny vaovao mifamahofaho momba ny fahapozinana ara-tsakafo... • Nanome ny toky ireo solontenan'ny mpiasan'ny Jirama, izay nihaona taminy, ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, fa mijanona ho orinasam-panjakana 100 % ny Jirama... • Tsy afaka hitazana fotsiny manoloana izao fahoriana manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao ny Mpitandrina Avotra ho an'ny Firenena na ny MAFI. Hanatanteraka hetsika tsy misy politika eny Analamahitsy izy ireo anio...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...