• Hotanterahana rahampitso ety Ivato ny fomba fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston, ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Hametraka azy amin'izany i Mompera Bizimana Innocent, Mpanolotsaim-paritra ho an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo... • Nifarana androany ny andiany faharoa amin'ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena ao Atsimo Andrefana na ny FER. Sady hamelona ny toekarena ifotony sy eo anivon'ny Faritra ity fihaonana ity, hoy ny Minisitra mpiahy Naina Andriatsitohaina... • Nomarihana androany ny faha-30 taona nianjetren'ilay fiaramanidina DC3 tao amin'ny Fokontany Ambohipanasina, misy ny “Bout de piste” Ivato, ny 18 jolay 1995. Niisa 40 ny mpandeha tao anatiny ka ny efatra sisa velona. Isan'izany ny Filohan'ny vondron'orinasa Vima, Zouzar Bouka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...