• Mitaky ny hamoahana amin'ny fomba mangarahara ny valim-panadihadiana momba ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin'ny faritra maro teto amin'ny nosy, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena 400 isa. Miendrika fanodikondinana saim-bahoaka ny famoahana ny vaovao, hoy izy ireo... • Manara-maso akaiky ny fanadinana Bakalorea, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Nampahatsiahiviny an'ireo lehiben'ny foibem-panadinana sy ireo mpampianatra mpanara-maso ny fanadinana, fa zava-dehibe ny fanarahana ireo toromarika efa nomena... • Tonga nankahery sy nametraka fandaminana ho an'ireo mpivarotra, ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe androany maraina, manoloana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...