♦ Disadisa efa nihotrika teo amin'ny samy fianakaviana no nitarika ilay fety nitera-doza teny amin'ny sampanana Hihazo an'i Imerinkasinina-Ambohimalaza. Datura sy Belladone ireo zava-maniry nampiasaina ka nahafaty sy namparary ireo nahinana ny sakafo... ♦ Handalo fitsarana eny Anosy anio ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy maintsy hanao tatitra amin'ny vahoaka amin'izany didy hivoaka izany ny kandidà sy ny mpiaradia aminy... ♦ Hampidirin'ny Kaominina Antananarivo ao anatin'ny rafitra manara-dalàna amin'izay ny taxi-moto, miasa amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...