♦ Tsy azo ampiasaina amin'ny fanadiovana any an-tsekoly intsony ny Datura. Namoaka ranty miantso ireo mpitantana sekolim-panjakàna hanajanona ny fampiasana io zava-maniry io ny Ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka momba ny fahazoan'ny fanjakàna iranianina fiaramanidina tsy ara-dalàna ka mahatafiditra an'i Madagasikara amin'io raharaha io ny ACM. Namoaka fampitam-baovao momba izay ny ACM, omaly... ♦ Mitaky ny hamerenana ireo sendikalista roa amin'ny asa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina ny FISEMARE. Tsy ara-dalàna ny nandroahana ireo mpiasa ireo, taorian'ny fitorian'ny orinasa hoy ity sendikà ity...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...