♦ Nanonona ny voady mandrakizay, tany Betafo, omaly, ireo frera miisa 4 mirahalahy an'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco. Niatrika ny Sorona Masina tamin'izany ny Lehiben'ny Fikambanana Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Tsy voahaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana sy ny fisarahan'ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana fitsaràna hoy ny mpisolo vava Maître Rafidison Eric, tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'ny repoblika tamin'ny haino aman-jery momba ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Hametraka jiro manazava ny tanàna mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo mponina iasany ny orinasa Bondy...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...