♦ Resa-be eto amin'ny firenena indray ny raharaha fiaramanidina mitondra laharana malagasy lasa any Iran. Namory mpanao gazety momba ity raharaha ity ny Ministry ny fitanterana, omaly... ♦ Nihazo an'i Tanzania ny delegasiôn'ny Barea Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny CHAN 2025. Nahagaga ny tsy nisian'ny fampahafantarana ny lisitr'ireo mpilalao avy amin'ny Federasiôna... ♦ Noesorina amin'ny toerany sy nalàna tsy ho mpanolontsaina ny filohan'ny filan-kevitry ny tanàna any amin'ny Kaominina Morondava. Namoaka didy momba izany ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritany Toliara...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...