♦ Nesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata 29 jolay... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny, ny antoko izay avy namoaka fanambarana omaly talata milaza ho manahy amin'ny mety hisian'ny ra mandriaka ateraky ny fananganana fikambanana VOROMAHERY... ♦ Herinandro ho an'ny indostria eo anivon'ny SADC taona 2025 : Miondrana any amin'ireo firenena ivelan'ny rafitra avokoa ny 80% ny vokatra tokony hiodina eo anivon'ny SADC...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...