♦ Voasambotra ireo olona miisa roa namoahana filazàna fikarohana mikasika ilay raharaha fiaramanidina miisa dimy tonga tany Iran... ♦ Manahy ny O.S.C.I.E fiaraha-monim-pirenena misehatra amin'ny harena ankibon'ny tany fa hataon'ny Fanjakàna antsokosoko ny fanavaozana ny lalàna L.G.I.M, Lalàna mifehy ny fampiasam-bola vaventy eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany... ♦ Misy manararaotra resaka politika avokoa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Nanentana ny tanora rehetra ho vavolombelon'ny Fiadanan'i Kristy ny Papa Léon-XIV...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...