♦ Maro ny tsy fahatomombanana sy ny osoka, ary ny hala-bato hita tamin'ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ka ilaina ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana hoy ny antoko ALFA... ♦ Misy ny lamina manokana ho an'ny fahadiovan'ny tanàna sy ny filaminana ao Antananarivo-renivohitra, ary haseho ireo vahiny avy amin'ny SADC fa tena mahay mandray vahiny ny vahoaka Malagasy... ♦ Lalam-pirenena efatra lehibe no andalam-panavaozana amin'izao eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hifarana rahampitso alahady ny andiany faha-20 amin'ny "Assemblée plénière" ho an'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara, ao Kigali...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...