♦ Nametraka fepetra ny eo anivon'ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) mialoha ny hirosoana amin'ny fifampiresahana amin'ny filohan'ny antenimieran-doholona. Takin'ny OJM aloha ny fialan-tsiny avy amin'ny filohan'ity andrimpan-jakàna eny Anosikely ity... ♦ Nitondra fanazavana ny ambasadaorin'i Madagasikara any Etazonia Rakotomalala Lantosoa momba ny haban-tseranana 15% amin'ny entana avy eto Madagasikara miditra any amin'ity firenena ity... ♦ Handrafitra ny toetry ny andro amin'ny ankapobeny amin'ity herinandro ity ny tsiokan'ny Varatraza antonony... ♦ Faritra maro any Taïwan ankehitriny no lasibatry ny tondradrano vokatry ny ora-nikija...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...