• Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny fanabeazana ny fisian'ny kolikoly eo amin'io sehatra ireo io, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy sahy mitaraina na mitoroka anefa ny 80 %-n'ny olona niharany, nanaovana fanadihadiana... • Nisy akony tamin'ny fanjifan'ny Malagasy fiara ny valan'aretina Covid teto amintsika. Nidina hatrany amin'ny 30 % izany, hoy ny vondron'ny mpandraharaha misehatra amin'ny fanafarana fiara efa niasa avy any ivelany na ny GIVEOM... • Hatsangana ho dina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimaliniky, Distrikan'i Toliara Faharoa, ny andrimasom-pokonolona Voromahery. Nahatsapa fitoniana ny mponina hatramin'ny nananganana sy nisian'izy io, hoy ireo olom-boafidy sy olobe ao an-tanana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...