• Notokanana androany ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasinana, mirefy 8 kilometatra. Hihena ny fotoana hanaovana ny halaviran-dalana rehefa vita tanteraka ny fotodrafitrasa hoy ny Filoham-pirenena androany... • Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny dimy andro ny fihaonambe na ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC. Fihaonana mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 natao teto amintsika... • Nanomboka androany ary hitohy rahampitso ny fiofanana ho an'ny mpikatroka ao amin'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Fiofanana atao eny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano...