♦ Mitaraina ho misy mpandrahona ho faty ilay mpanao gazety vahiny Gaella Borgia, iraky ny fahitalavitra TV5-Monde eto Madagasikara. Namoaka fampitam-baovao mifandraika amin'izany koa ny RSF eto Madagasikara... ♦ Manantena fihatsaràn'ny karaman'ny mpiasa mitovy amin'ireo firenena ao anatin'ny SADC ny Sendikà Fisemare amin'izao hitantanantsika ity vondrona ara-toe-karena ity izao... ♦ Efa niverina amin'ny laoniny ny fitanteran'olona amin'ny Teleferika ny maraina teo, raha niato izany. Nisy antony ny fiatoana omaly, hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...