• Tsy anisan'ireo nampidirina am-ponja noho ny raharaha Boeing 777, ny Minisitry ny Fitaterana teo aloha, noho ny fananany sata maha mpitondra ambony. Tsy ny lalana no ratsy, fa miankina amin'ireo Parlemantera no hanenjehana azy, hoy ny mpahay lalana Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodana ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha autoroute azy ilay 8 km vita, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry... • Andrasan'ny Malagasy maro ny lalao ankatoky ny famaranana ny CHAN 2025, izay hatrehan'ny Barea rahampitso. Lalao hanovana fiainana io, hoy ny kapiten'ny Barea teo aloha, Faneva Ima androany, raha nandrisika ireo mpilalao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...