♦ Maro ireo olona efa tonga eo amin'ny Diôsezin'i Morondava handray anjara amin'ny JNA andiany faharoa tanterahina any an-toerana... ♦ Vonona hibata fandresena eo anatrehan'i Maroc izay hifanandrina aminy mandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2024, atao any Kenya ny Barea araka ny nambaran'i Toky Rakotondraibe... ♦ Tapa-bolana mialoha ny fidiran'ny mpianatra eo amin'ny 70% eo ny taha-pisoratana anarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna ao amin'ny fari-piadidim-pampianarana Antanananrivo-Atsimondrano... ♦ Hotanterahina ny 12-13 septambra ho avy izao ao Rome ny fihaonambe maneran-tany ho an'ny firaisan-kina maha-olombelona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...