♦ Nidinika ny momba ny ezaka fampandrosoana isam-paritra sy nifampizara traik'efa tany Mahajanga ny governora eran'ny nosy tamin'ity herinandro ity. Governora 18 amin'ireo 23 no nanatrika ny fihaonana tao an-drenivohitry ny Faritra Boeny... ♦ Nahavita ny androm-pirenen'ny ankizy andiany voalohany ny tao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Fahombiazana no azo nandritry izay hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Hanamaivana ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra ho an'ny fianakaviana sahirana ao aminy ny kaominina Ambohidratrimo. Manohana ny mponina tsy an'asa amin'ny tetik'asa fiompiana akoho ny kaominina araky ny fanazavan'ny sekretera jeneraliny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...