♦ Nigadona eto Madagasikara alina ny kabeson'ny Ampanjaka Toeran'i Menabe sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Hisy ny hetsika fanomezam-boninahitra eto Antananarivo anio... ♦ Hahazo "Bourse Professionnelle" isam-bolana ireo mpilalaon'ny Barea mandram-pahatongan'ny CHAN 2027. Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny Lapa-panjakàna Iavoloha izy ireo sy ny fianakaviany avy omaly... ♦ Ahiana ho dibo-drano Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pahavaratra noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera. Titra 42 no azon'orinasa sy olon-tsotra eny an-toerana hoy ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...