♦ Manome vahana fanaovan-dratsy sy fiarovana olona ambony ny HCJ hoy ny solombavambahoakan'Arivonimamo. Noraisin'ity olomboafidy ity ohatra ny raharaha Boeing 777, izay mahavoarohirohy olon'ny fitondràna... ♦ Miantso dinika amin'ny Fanjakàna sy ny mpapiasa ny Fisemare, hampiakarana ny karaman'ny mpiasa amin'izao fidiran'ny mpianatra izao... ♦ Misy amin'ireo mpilalaon'ny Barea nanao lalao famaranan'ny CHAN farany teo no efa nisy nividy sahady hilalao any ivelany. Mpilalao roa hafa koa no efa tsiriritin'ireo klioba vahiny hanatevina ny ekipany... ♦ Mihamafy ny fifandonana eo amin'ny AFC/M23 sy ny Fanjakàna Congolais any Nord-Kivu...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...