♦ Nakantoavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny datin'ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana Loholona araka ny tolo-kevitry ny Ceni... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy anio maraina ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany fahafito etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ny zaza teto Madagasikara taorian'ny COVID-19, fanamby ny havitan'ny 90% amin'ny zaza Malagasy vita vaksiny hatramin'ny faran'ity taona ity... ♦ Any Gaza : Ankizy maherin'ny 21.000 isa lasa nitondra takaitra, manan-takaitra tsy fidiny vokatry ny ady misy eo amin'i Israël sy Hamas...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...