♦ Tafakatra laharana faharoa ao amin'ny vondrona I indray i Madagasikara, taorian'ny fandresena nanoloana an'i Tchad omaly amin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Mondial 2026... ♦ Nampiomana nyu mpanjifa ny orinasa JIRAMA fa ho mafy ny delestazy amin'izao fiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany izao. Taraiky ny loatra ny vahaolan'ny Fanjakàna, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa (PMH) manoloana izany... ♦ Niatomboka omaly ny taom-pianarana vaovao manerana ny nosy. Haharitra 10 volana izany, tsy misy fiovàna firy amin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa nofaritan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...