♦ Fifidianana tsy ara-dalàna ny fifidianana Loholona hotanterahana ny 11 desambra izao hoy ny hery fanoherana, ka milaza tsy handray anjara amin'izany izy ireo... ♦ Nandroso soso-kevitra amin'ny hitondran'ny filoha malagasy eo anatrehan'ny SADC ny fitakian'i Madagasikara ireo "nosy malagasy" amin'izao hitantanan'ny filoha malagasy ity vondrona ity izao, ny antoko TEZA... ♦ Mitondra vokatsoa ho an'ny sekoly AKAMA 67Ha ny fampiharana ny pôlitika fampiatiana. Mbola malalaka koa ny toerana ho an'ireo mpianatra eny amin'ity sekoly ity... ♦ Voasazy higadra 27 taona sy 3volana i Jair Bolsonaro filoha teo aloha any Brésil...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...