♦ Notafihan'ny dahalo mitam-piadiana ny sabotsy teo tao amin'ny Fokontany Saririaky, Kaominina Ankilimalinike, Distrikan'i Toliara-II, dahalo iray no maty, ary zandary iray naratra vokatr'izany. Nitsipaka izany ny fikambanana Mazoto ka nilaza fa tsy dahalo io voatifitra io fa olona niaro ny taniny... ♦ Nitombo avo efatra heny ny vokatra trondro tilapia sy carpe eto Madagasikara ankehitriny, raha oharina tamin'ny efa-taona lasa... ♦ Nanolotra soso-kevitra ho an'ny CENI mba hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Hampiantrano ny fivorian'ireo Firenena Arabo androany ny any Qatar, mikasika ny raharaha ao Proche-Orient...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...