• Nidina an-dalambe naneho ny hetahetany, ny mponina tao amin'ny Distrikan'Arivonimamo omaly, notarihin'ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Tsy ara-dalana, hoy kosa ny Lehiben'ny Distrika, ny hetsika natao satria tsy nahazona lalana izany... • Nampiato ny asa fitaterana nandritra ny ora roa omaly, ny kaoperativa mpitatitra amin'ny lalam-pirenena voalohany. Misedra olana eo am-panatanterahana ny asany koa izy ireo... • Marary tratran'ny SIDA, na ny karama tsy ampy efa taona maro, ny mpiasan'ny fahsalamana, hoy ny sendika Triade. Hotanterahana ny sabotsy izao ny fivoriambe hitadiavana vahaolana momba izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...