• Miompana amin'ny fanofanana ny tanora sy ny mpampianatra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin'ny sehatra teknolojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Huawei Madagascar... • Nahafahan'ireo vondrom-paritra eto Madagasikara nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, amin'ny fitantanana ny Faritra sy ny Kaominina misy azy, ilay fikaonan-doha momba ny fiara-miasa mahakasika ny vondrom-paritra teo amin'i Frantsa sy i Madagasikara... • Tsy tokony atao ho sakana amin'ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona, ny tsy mbola fahafenoan'ireo mpifidy vaventy izay tokony handray anjara amin'ny fifidianana, hoy ny Ben'ny Tanana iray...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...