♦ Miisa 24 ny Eveka amperin'asa mandrafitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Nohamasinina ho Eveka, omaly, Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, notendren'i Papa Léon-XIV, ho Eveka mpanampy ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nahatratra 5 taonina ny fako voahangona nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta notanterahana teny Tanjombato sy ny manodidina ho an'ny teto Antananarivo. Azo avadika ho akora vaovao indray ny fako plastika voahangona... ♦ Nitsidika toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo ny faran'ny herinandro teo... 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...