♦ Tonga nanohana ny antson'ny mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra ireo olona leo delestazy sy tsy fisain'ny rano. Tsy tafiditra teo amin'ny toerana nifampitaonana nefa izy ireo... ♦ Nanao ady sisika manokana ny amin'ny tokony hanalavana ny AGOA ny filoha Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'ireo tany mivondrona ao amin'ny SADC hoy izy... ♦ Mikarakara fihaonana momba ny siansa sy ny famokarana eny ambanivohitra ny FTA, iarahana amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ny ESS ABC sy ireo mpiara-miombon'antoka...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...