• Miangavy ny olom-pirenena eto Madagasikara ny Arsevekan'i Toamasina, Son Eminence Monseigneur Désiré Cardinal Tsarahazana, mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba hahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha izao ny Arsevekan'i Toamasina... • Nahery vaika ny famoretana sy ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ny tolakandro teo, tao Antananarivo Renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... • Tafapetraka androany antoandro teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fitorian'ny Holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, rantsana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Izy ireo izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...