♦ Miangavy ny olom-pirenena Malagasy ny Arsevekan'i Toamasina, Mgr Désiré Cardinal Tsarahazana mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba ahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena izao izy... ♦ Nahery vaika ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny tolak'andro teo, tao Antananarivo-renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... ♦ Voapetraka omaly antoandro teny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitorian'ny holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...