♦ Nangataka ny famindram-pon'ny filohan'ny repoblika hanafaka ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre any am-ponja ny vadiny sady Ben'ny tanànan'i Vangaindrano. Hojerena ny momba izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Misy ireo olona nofonjaina amin'ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna hoy izy... ♦ Mifampitaona eny Ambohijatovo indray androany ireo tanora Gen Z sy ny mpiara-dia aminy. Hentitra nefa ny fitandroana filaminana avokoa ny lalana miditra an'Analakely sy Ambohijatovo... ♦ Tsy marina hoy ny Fitsaràna fa misy amin'ireo mpianatra nosamborina nanao fihetsiketsehana notazomina am-ponjy vonjy maika no tsy noraisin'ny mpandraharahan'ny Fonja...

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...