♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...