• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...